<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>7</hymn_number>
<title>Misaora an'Andriamanitra FFPM7</title>
<lyrics>[V1]
 Misaora an'Andriamanitra
 Izay nanao ny lanitra.
 Namorona ny tany koa
 Sy 'zay rehetra mahasoa

[V2]
 Derao ny voninahiny,
 Ankalazao ny heriny,
 Jereo ny fitiavany
 Tsy tambonao tononina.

[V3]
 Dia avy izahay izao,
 Ry Tompo be fitia ô!
 Miondrika eo imasonao
 Midera ny Anaranao.

[V4]
 Isaorana mandrakizay
 Hianao, Andriamanitray!
 Ny haja be indrindra izao
 Atolotray mpanomponao.</lyrics>
<author>H.S. Oakley</author>
</song>